FR EN
L'ISPM a gagné le 1er prix de l'Olympiade d'Informatique de Madagascar 2012 pour sa première participation.
D'après le Shangaï ranking of Universities, ISPM est classé parmi les dix meilleures Universités de Madagascar (Top-10) (parmi les 140 universités publiques et privées).

Actualités

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Téléphone : +261 33 12 171 60
+261 34 20 874 28
+261 32 02 544 72

Email : ispm@ispm-edu.com

ISPM dans la presse

Retour à la liste des articles dans la presse
Article paru dans TIA TANINDRAZANA le 05/04/2016 par Rasanda Serge
Lomano - Mada

Montsan i Estellah ny records roa an i Bako


Tsy mbola nisy toy ity tamin’ny tantaran’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny lomano, zava-bita tsara indrindra nasionaly fito sy isan-tsokajiny 13 no montsana. Ny faran’ny herinandro teo no nanaovana io fifaninana nasionaly amin’ny dobo mirefy 25m io teny amin’ny Esca Antanimena. Mpilomano namiratra indrindra i Fils Rabetsara Aina Estellah ao amin’ny Managing izay nahavita “record” vaovao efatra ka ny roa tamin’ireo zava-bitan’ilay sangany fahiny, Ratsifandrihamanana Bako dia 100mNL (59”57 / 1’00”10) sy ny 50mNL (27”40 / 27”50). Efa tamin’ny taona 1987 no nahavitan’i Bako azy ireo, izany hoe 29 taona taty aoriana vao nisy nahavaky. I Estellah izany no nahavita voalohany io ambanin’ny iray minitra io. Ankoatra ireo dia nohatsarain’i Estellah ny zava-bitany teo tamin’ny 100mQN (1’07”81 / 1’10”15) sy ny zava-bitan’i Tojohanitra tamin’ny 50m Papillon (29”75 / 29”95). “Record” roa kosa no montsan’Andrianirina Lalanomena Anthony avy amin’ny Cosfa dia tamin’ny 200m Dos (2’14”/2’15) izay zava-bitany ihany tany la Reunion sy ny 50m Dos (27”53/ 28”05) izay an’i Michael teo aloha. Ny fotoana nasionaly vaovao faha 7 dia vitan’ny ekipan’ny St Michel lahilahy tamin’ny 4x50mQN (1’52” / 1’53”). Ny zava-bita isan-tsokajiny kosa dia enina ny an’i Nomena sokajy “junior” zazalahy (400mQN, 400mNL, 200mdos, 800mNL, 1500mNL, 50mDos), roa vitan-dRabejaona Antsa St Michel sokajy “minime” zazavavy (50mdos, 200mdos) ary iray avy ny an’i Mamihaja Nathan - Managing (200mNL poussin), Randriandraina Christelle-Managing (1500mNL benjamine), Tendrinavalona Idealy - Sirenes 110 Vakinankaratra (50mDos poussine), Ralibera Toky - Cosbani (800mNL minime), Rabarijaona Murielle - ASSM (800NL junior). Fa nifanindran-dalana tamin’ny fifaninanana nasionaly iny koa ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa ka nandray anjara tamin’izany Ralefy Sitraka Anthony izay mila ravinahitra any an-toerana ary nahazo medaly alimo tamin’ny 50m papillon. Ity farany sy Estellah moa no efa voasoratra ho solontena Malagasy any amin’ny Lalao olimpikan’i Rio amin’ny volana aogositra.
(I Estellah moa dia mpianatry ISPM (IGGL4))
Rasanda Serge

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA