FR EN
L'ISPM a gagné le 1er prix de l'Olympiade d'Informatique de Madagascar 2012 pour sa première participation.
D'après le Shangaï ranking of Universities, ISPM est classé parmi les dix meilleures Universités de Madagascar (Top-10) (parmi les 140 universités publiques et privées).

Actualités

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Téléphone : +261 33 12 171 60
+261 34 20 874 28
+261 32 02 544 72

Email : ispm@ispm-edu.com

ISPM dans la presse

Retour à la liste des articles dans la presse
Article paru dans Gazetiko le 07/07/2016 par R. Muray
Asa fikarohana

Mpianatra taoana voalohany nahavita trottinette à moteur thermique


Telo herinandro no nandrafetana ny asa ary nitentina 500 000 ariary ny teti-bola namitana izany, hoy Atoa Rasata Mayas Ainamanjato, isan'ny tompon'ny tetikasa.
Efa mizotra amin'ny fanarahana ny rafitra LMD ny ankamaroan'ny sekoly ambony eto Madagasikara. Ny rafitra LMD dia manampy ny mpianatra hiditra amin'ny sehatry ny fikarohana. Anisan'ny sekoly ambony ankatoavin'ny fanjakana sy efa mampihatra ny rafitra LMD ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar), hoy Rtoa Razafindrahety Aimé, tompon'andraikitra ao amin'ity sekoly ambony ity. Mpianatra enina ao amin'ny taona voalohany amin'ny lalam-piofanana " Moteur Thermique" no nahavita "Trottinette à moteur thermique" na irony fitaovam-pitaterana kodiaran-droa nampiana milina mampandeha azy tsy voizin-tongotra intsony, nandritra ny andro voalohany ny varavarana misokatra karakarainy. Telo herinandro no nandrafetana ny asa ary nitentina 500 000 Ariary ny teti-bola namitana izany, hoy Atoa Rasata Mayas Ainamanjato, isan'ny tompon'ny tetikasa. Nanao sary, nandrafitra "cadtre" sy ireo kojakoja no tena asa natao fa ny milina dia novidiana, araka ny nambaran'ity mpianatra ity ihany. Maro ireo vokapikarohan'ny mpianatra ahafahana miara-miasa amin'ny mpandraharaha, hoy ihany Rtoa Razafindrahety Aimé, ka misokatra ho an'izy ireny koa ny varavarana misokatra izay haharitra hatramin'ny sabotsy ho avy izao.
R. Muray

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA