FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

Tarika « Mi'Kanto »

Ny tarika Mi'Kanto dia tarika eto anivon'ny Ivotoerana ambony ISPM izay noforonon'i Profesora RABOANARY Julien ary andraisan'ny mpandraharaha, mpampianatra sy mpianatra anjara. Ny tanjona dia ny hitondra ny fanabeazana amin'ny alalan'ny hira sy ny kanto. Anisan'ny kaloin'ny Tarika Mi'Kanto ny fianam-pianakaviana, ny fitiavana, ny fitiavan-tanindrazana, ny fitiavana ny tontolo ary tsy hadino indrindra ny fiderena an'Andriamanitra ilay nahary an'izao tontolo izao. Ny tarika dia mivoy an'ireo karazana ba-kira rehetra ao anatin'izany ny ba-gasy, ny hira madinika, ny ba-vahiny, sns...
Apetrakay ao anatin'ity serasera avo lenta ity ny ampahany amin'ireo sangan'asan'ny tarika Mi'Kanto. Mazotoa mihaino Tompoko !


NENY O !

Hira

Tononkira

Neny ô ! Neny ô !
Neny ô ! tia anay
Neny ô ! Neny ô !
Neny ô ! maminay

Neny ô ! Neny ô !
Neny ô ! sakazainay
Neny ô ! Neny ô !
Neny ô ! masoandronay

Ianao ilay olona iray
Tsy mandao fa mijery
Ianao ilay olona iray
Niakin-drindrina irery

Ianao ilay olona iray
Nitia anay mangina
Ianao ilay olona iray
Nisotro rano tsy tiana

Ianao ilay olona iray
Masoandro amam-bolana
Ianao ilay olona iray
Nitondra folo volana

Ianao ilay olona iray
Nahavita ireo adidy
Ianao ilay olona iray
Niaritra ny mangidy

Ianao ilay olona iray
Ilay hany voaantsonay
Ilay olona iray
Raha misy manjo anay

Ianao ilay olona iray
Ilay hany mpanontany
Ianao ilay olona iray
Raha izahay mitomany

A/C : RJA

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA