FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in Ny Vaovaontsika on 04/07/2013 by Tolotra sy Sam
ISPM - VARAVARANA MISOKATRA

Haranty ny voka-pikarohan'ny mpianatra tsara indrindra


Dimy andro no atokan'ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar) hampiratiana ireo voka-pikarohan'ny mpianatra eny amin'ny ISPM Ambatomaro Antsobolo.
Hetsika izay tafiditra amin'ny fandaharam-potoana sy fitaizana ny mpianatra. Vokatra fampirantiana miisa 300 no haranty ary tsarain'ny mpampianatra, ka izay vokatra tsara voafantina no entina haranty eny amin'ny Carlton ny 23 sy 24 jolay ho avy izao. Andiany faha-20 izao ary tafiditra amin'ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny sekoly. Nisy ihany koa ny fifaninanana "Question pour un Champion", ny fifaninana kabary ary ny fifaninana mandihy. Miisy 14 ny taranjam-pianarana atao eny amin'ny ISPM. Misokatra ho an'ny Ray aman-dreny, ny mpianatra ary ny mpandraharaha ny hetsika. Efa hetsika efa fanao hatramin'izay ity fampirantiana hataon'ny sekoly ambony ISPM ity. Miavaka rahateo ny fampisehoana satria dia saika ahitana voka-pikarohana avo lenta hatrany ny fampiratiana tahaka izao. Misy mihitsy ireo vaky vava fa : "mpianatra Malagasy ve no mahavita fikarohan-javatra tahaka izao ?" Miainga any amin'ny famoronana ireo karazana fitaovana fibaikoana ny solosaina hanao asa iray miavaka izany ary mipaka amin'ny famoronana fitaovam-pamokarana hitondra fampandrosoana ho an'ny firenena. Efa vitan'ny mpianatra avy ao amin'ny ISPM ohatra ny fitaovana manokana azo ampiasaina amin'ny fifidianana, eo ny fitaovana fanangonana vokatry ny fifidianana haingana na ny fandrafetana lisitry ny mpifidy sy fitaovana ahazoana angovo azo amin'ny rivotra sy ny maro hafa.
Tolotra sy Sam

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA