FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in L'info on 04/07/2013
ISPM

Hamporisihina hikaro-java-baovao ireo mpianatra


Dimy andro no faharetan'ny varavarana misokatra eny amin'ny Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar Antsobolo. Ireo vokatry ny asa fikarohan'ny mpianatra no aranty amin'izany. Trano heva manodidina ny 300 no azo tsidihina. Tanjona hoy ramatoa Aimée RAZAFINDRAHETY Tale ao amin'ny ISPM, "mba hamporisihina ireo tanora hikaroka zava-baovao hatrany hampandrosoana ny fiaraha-monina". Nohamafisiny koa fa maro ireo tanora malagasy no mana-talenta amin'ny seha-pikarohana, ka anehoana ireny vokatra maro ireny nno anton'izao hetsika izao. Vokatra izay, hita teny an-toerana ohatra ny Pyrolax menaka fanafody may, fikarohana nataon'ireo mpianatra taona faharoa ao amin'ny sampana Biotechnique et Agronomie ; fanafody izay manamaina avy hatrany ny faritra may eo amin'ny vatana ary telo andro eo ho eo ny fahasitranana. Hitan'ireo mpianatra ao amin'ny ISPM koa ny fomba fanadiovana ny menaka efa niasa avy amin'ny fiara na milina samihafa, ka azo ampiasaina indray.

Mbola maro ny fikarohana azo atao hoy ireo mpianatra fa ny olana ho antsika dia ny tsy fisin'ny vola hananganana orinasa, mbola vitsy koa ireo mpamatsy indrindra ao anatin'izao krizy izao. Hifarana ny 06 jolay ny fampiratiana eny Antsobolo fa ny 23 jolay indray kosa ny fotoana amin'ny ISPM eny amin'ny Carlton Anosy.

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA