FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in Basy Vava on 24/07/2013 by Poussy
Salon de l'ISPM

Mahavariana ny fikarohana ataon'ireo mpianatra


"Ny fitrandrahana ny fivoaran'ny teknolojia sy ny serasera ary ny varotra" io no lohahevitra noraisin'ny sekoly ISPM mandritra ny fampisehoana sy fampiratiana ny fikarohan'ireo mpianatra tamin'ity taom-pianarana ity. Toy ny fanaony isan-taona, aorian'ny fampisehoana ny voka-pikarohan'ireo mpianatra isanisany ao amin'ny sekoly ambony ISPM eo anivon'ny toeram-pianarana etsy Antsobolo, dia miroso amin'ny fampiakarana ireo mpianatra mendrika indrindra etsy amin'ny Carlton izy ireo. Tamin'ity taon aity dia fantatra fa nahatratra 320 ny isan'ireo vondrona mpianatra nanatanteraka fikarohana sy nampiranty izany tetsy amin'ny ISPM, ka ny 200 tamin'izy ireo no tafakatra ka izao mampiseho ny fahaizany sy ny voka-pikarohany etsy amin'ny Carlton Anosy izao. Anio no hifarana ity hetsika ity, izay fantatra fa hanolorana loka ho an'ireo tena mendrika indrindra amin'izy 200 indray.
Noho ny fangatahan'ny orinasa sy ray aman-dreny ny hijery ireo voka-pikarohan'ny mpianatra no isan'ny niarahan'ny ISPM niasa tamin'ny Carlton hatramin'izay folo taona mahery izay, amin'ny fampiantranoana ity. Entina hanampiana ny tanora vaohanala bacc ihany koa ity salon'ny ISPM ity araka ny fanazavan'ny talenny sekoly Aimee Razafindrahety, mba hamporisihina azy ireo hianatra tsara sy hazoto hanohy ny fianarany fa tsy ny bakalorea ihany akory no farany amin'ny fanovozana fahalalana fa misy zavatra hafa miandry aorian'ny bakalorea. Marihina fa efa voafantina ary nitana ny laharana voalohany, faharoa, fahatelo ary fahaefatra nandritra ny hetsika "forum de la recherche" teto Antananarivo ny mpianatry ny ISPM ary efa afaka mitrandraka izany fikarohany izany sy mampiranty azy amin'ny sehatra ara-barotra.
Poussy

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA