FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in NY VALOSOA on 06/07/2013 by Ph.R
ISPM - VARAVARANA MISOKATRA

Maro ireo zava-baovao novokarin'ny mpianatra


Mampiavaka ny ivontoerana Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar - ISPM - eny Antsobolo Ambatomaro ny fitarihana ny mpianatra manovo fahaizana amampahalalana ao aminy ho amin'ny seha-pikarohana. Tafita ny fomba fampianarana atolony raha ny vokatra azo isan-taona no jerenena tamin'ny alalan'ny varavarana misokatra ampahafantarana azy ireo. Nandritra ny efatr'andro izay mifarana anio sabotsy mantsy no anatanterahana fampirantiana ireo tetik'asa na assa fikarohana ataon'ny mpianatra tao anatin'izao taom-mpianarana 2012-2013 izao. Marobe ireo fikarohana arantin'ireo tranoheva mahatratra hatrany amin'ny 300, izay avy amin'ireo departemanta dimy : informatika sy fifandraisan-davitra, teknika momba ny fandraharahana, bioteknolojia sy agronomia, asa vanventy ary teknika momba ny fizahan-tany. Maro ireo zava-baovao tamin'ireo tetik'asa novokarin'ny mpiantra. Anisan'izany ny tetiandro momba ny sakafo, ny fanamboarana vatosoa "rubis synthéthique", ireo divay azo avy amin'ny sakamalaho sy ny avy amin'ny rononon'osy, ireo vokatra azo alaina avy amin'ny karaoty ankoatra ny efa fahita mahazatra, ny karazana sakafo natokana ho an'ny vehivavy bevohoka, ny famokarana éthanol azo avy amin'ny fary; ireo "logiciel" maro: hibaikoana "robot" sy ireo karazan-dalao toy ny katro sy ny "question pour un champion", ny site webe momba ny literatiora, sy ny maro hafa tsy ho voatanisa... Tsy ho ampy ny mpitsidika mihitsy araka izany ny fotoana fohy hitsidihana ireo tetik'asa sy fikarohana maro novokarin'ny mpianatra ireo.

Maro ireo mpitsidika efa tonga teny an-toerana ary misy sokajiny tahaka ny mpianatra avy amin'ny ambaratongan'ny sekoly samihafa, olon-tsotra sy mpandraharaha. Tsiahivina, fa indroa isan-taona no mampahafantatra ny zavatra ataony toy izao ny ISPM ka aorian'izao varavarana misokatra notanterahina tato anatin'ny efarana izao dia eny amin'ny Carlton Anosy indray ny manaraka izay hotanterahana ny 23 jolay ho avy izao ao anatin'ny hetsika "Salon de l'ISPM". Ireo tetik'asa sy fikarohana mendrika no hiakatra eny amin'io fotoana io. Hofaranana amin'ny alalan'ny rindran-kira ara-pilazantsara izay hotanterahina ny alakamisy 25 jolay eny amin'ny Eglizy katolika Faravohitra ny hetsika tamin'ity taona ity.
Ph.R

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA