FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in TIA TANINDRAZANA on 15/07/2015
Voka-pikarohan'ny mpianatry ny ISPM

"Robot" baikon'ny finday Android


Toy ny fanao isan-taona dia nisokatra omaly ny varavarana misokatra karakarain'ny sekoly ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar eny Antsobolo. Voka-pikarohana manodidina ny 360 isa no haranto amin'izany, andraisan'ireo mpianatra ao amin'ny kilasy voloany ka hatramin'ny fahadimy anjara mandritra ny dimy andro, misandrahaka amin'ny lalam-piaofanana miisa 12. Maimaimpoana ny fidirana amin'izany, hetsika entina anasongadinana ny ezaka vitan'ny mpianatra nandritra ny taom-pianarana iray no sady hanazarana azy ireo sahady amin'ny fikarohana eo amin'ny sehatry ny asa ihany koa na koa famoronana asa ho an'ny tenany manokana mihitsy. Zava-baovao marobe no hita amin'izany fa tena misongadina ny fikaomandina "Robot" iray amin'ny alalan'ny finday Android, eo ihany koa ny fanodinana ny raketa hanjary ho divay, ny raozy hanjary ko kaonfitira... Raha araka ny fanazavan'i Raboanary Lala, tompon'andraikitra ao amin'ity sekoly ambony iray ity moa dia efa nisy tamin'ireo mpianatra mihitsy no afaka nanangana orinasa ho an'ny tenany vokatr'izany fikarohana nataony izany.

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA