FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in L'OBSERVATEUR on 17/07/2015 by Sitraka R.
Mpianatra ao amin'ny ISPM

Namoaka ny vokam-pikarohana mandritra ny dimy andro


Namoaka ny vokam-pikarohana ireo mpianatra ao amin'ny fampianarana ambony ISPM na "Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar" etsy Antsobolo Ambatomaro, mandritra ny dimy andro. Mpianatra ao amin'ny taona voalohany ka hatramin'ny taona fahadimy ireto mpianatra namoaka ny vokam-pikarohana ireto nanomboka ny talata teo ka hatramin'ny sabotsy ho avy izao. Raha ny fanazavana nomen'ny tompon'andraitry ny sekoly rtoa Razafindrahety Aimée dia nanao izao fikarohana izao ny mpianatra nandritra ny volana maromaro, fa naseho tamin'io andro io, izany vokatra ny fikarohana izany. Ka trano eva miisa 360 no nampisehoan'ireo mpianatra ny vokam-pikarohana. Misokatra ho an'ny daholobe noho izany ny fahampahafantarana an'ireo fikarohan'ny mpianatra ireo ary tsy hifarana izany raha tsy ny sabotsy ho avy izao. Raha ny fantatra dia tsy mitsahatra ny fampahafantarana ny voka-pikarohana avy amin'ireo mpianatra eny amin'ireo sekoly ambony tsy miankina. Ny fifampiresahana tamina Tale mpitantana sekoly ambony tsy miankina iray no nahafantarana fa misy amin'izao fotoana izao ireo voka-pikarohana ho an'ireo mpianatra eny amin'ny sekoly ambony tsy miankina efa ampiasain'ireo ministera samihafa. Anisan'izany ny "logical code barre". Misy ihany koa ny sakafo na "mayonnaise" vita amin'ny soja izay efa hita eny amin'ny mpivarotra. Ny raketa ahavitana divay. Manginy fotsiny ny fikarohana amin'ny lafin'ny NTIC.
Ireny rehetra ireny, hoy ny tale dia manaporofo fa manana ny maha izy aza ny tanora Malagasy, koa rehefa omena azy ireo sehatra ahafahany manao fikarohana dia tsy mena-mitaha amin'ireo manampahaizan'ny tany mandroso ny Malagasy. Marihina, fa miara-miasa amin'ny orinasa maro toa an'ny BFV ny sekoly ambony ISPM.
Sitraka R.

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA