FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in KITRA on 04/08/2015
SALON DE L'ISPM

Voka-pikarohana 350 no haranty manomboka anio


Taorian'ny varavarana misokatra notanterahin'ny Sekoly ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar teny Antsobolo, ny tapaky ny volana aogositra lasa teo dia hiroso amin'ny fampiratiana ireo voka-pikarohana notanterahin'ny mpianatra tao anatin'ny 12 volana izy ireo manomboka anio talata. Etsy amin'ny hotel Carlton Anosy no hanatanterahana izany ary haharitra roa andro.
"Salon de l'ISPM" no anarana hampitondraina ny hetsika. Azon'ny rehetra tsidihina, tsy andoavambola. Nampiavaka ity andiany iray ty, raha araky ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny sekoly, ny hatsaran'ny kalitaon'ny voka-pikarohana nataon'ny mpianatra rehetra. Somary nanano sarotra, noho izany raha araka ny fanazavany hatrany, ny fifantenana ireo tena mendrika indrindra ka izany no antony nahatonga ny hetsika ho lasa roa andro.
Voka-pikarohana miisa 350 no haranty amin'izany ka 175 voalohany haranty anio raha hitohy rahampitso ny an'ireo 175 isa ambiny. Tafiditra ao anatin'izany ny fikararohana nataon'ny mpianatra momba ny fibaikoana solosaina amin'ny alalan'ny finday, ny fanodinana ireo plastika sy poti-javatra maro samihafa no lasa fitaovana mahasoa hampiasain'ny olona. Marihina fa voka-pikarohana nataon'ireo mpianatra ao amin'ny taona ka hatramin'ny taona fahadimy izy ireo. Hetsika efa fanaon'ity sekoly ambony iray ity isan-taona izy ity.

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA