FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in DIVA on 06/07/2016 by Malala
Sekoly ambony ISPM Antsobolo

Dimy andro ny varavarana misokatra


Nanomboka omaly ka hifarana ny sabotsy ho avy izao ny dimy andron'ny "Varavarana misokatry ny Sekoly Ambony tsy miankina ISPM Antsoblolo". Fotoana izay entina hiantsoana ireo orinasa na mpandraharaha te hiara-hiasa amin'izy ireo. Mampiavaka ny sekoly nandritra izay 23 taona nijoroany izay ny fahafantaran'ny besinimaro fa sekoly tokana miompana amin'ny resaka teknika izy ireo. Mampiofana mpianatra mba hiditra eo amin'ny sehatry ny famokarana ihany koa ny sekoly. Miara-miasa amin'ny Oniversitem-panjakana ihany koa ireo tompon'andraikitra ao amin'ity sekoly ity mba hahatafitan'ny mpianatra satria taon-trano tsy efan'irery. "Mampahafantatra ny mpianatra ny sekoly fa tsy mitovy ny tany amin'ny lisea ny fianarana rehefa mahazo ny mari-pahaizana bakalorea izy ireo. Fianarana mitaky fikarohana mba hahazoana traikefa ka hizaka tena ho irery no takiana amin'ny mpianatra rehefa mahazo izany diplaoma izany. Tanjona ny mba hahazoan'ny mpianatra asa aorian'ny fianarana. Ny fanjakana rahateo dia efa nampihatra ny rafitra "Licence-Master-Doctorat" na (LMD). Ny "ISPM" manokana dia manana ny "homologation" amin'izany. 15 isa ireo rantsam-piofanana azo hisafidianana ao amin'ny sekoly.', hoy Razafindraety Aimée, mpitantana ny sekoly Ambony "ISPM" Antsobolo, omaly...
Malala

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA