FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in Tia Tanindrazana on 06/07/2016 by Pati
Trotinette misy motera

Efa vitan'ny mpianatra Malagasy


Raha voasokajy ho kilalaon'ny ankizy hatrany ny trotinette hatramin'izay dia efa azon'ny olon-dehibe ampiasaina tsara ankehitriny, misy môtera ary mahalasa lavitra, vita eto amintsika. Anisan'ny voka-pikarohana haranty eny Antsobolo io manomboka omaly talata 5 jolay vokatry ny fikarahana nataon'ny mpianatry ny sekoly ambony ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar) taona voalohany ao amin'ny lalam-piofanana EMII (Electromécanique Informatique et Industrie). Tao anatin'ny telo herinandro monja no nanomanan'ny mpianatra izany, haseho ny rehetra mandritra ny varavarana misokatra karakarain'ny sekoly izay manana tanjona hanatanteraka ny rafi-pampianarana LMD, tsy mijanona fotsiny amin'ny fahalalana azo avy any ampianarana fa miezaka mikaroka sy manita-tsaina ihany koa. Ankoatra io trotinette io dia anisan'ny voka-pikarohana hitan'ny mpianatra ao amin'ity sekoly ity ihany koa ny fiarovana amin'ny aretina allergie, ny filalaovana basket izay tsy voatery kiakarana eny amin'ny kianja intsony fa azo lalaovina amin'ny solosaina. Ireo mpianatra ao amin'ny taona fahatelo no nanatanteraka ity farany. Ny mba hanampiana ireo tanora tsy hanaotao foana fa hankafy ireo karazana jeux izay marihina fa efa tena mahazo vahana eny anivon'ny fiarahamonina tokoa no tanjona hisorohana azy ireny tsy hiroso ami'ny firaisana ara-nofo aloha loatra na koa ny fidorohana zava-mahadomelina.
Pati

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA