FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in TIA TANINDRAZANA on 02/08/2017 by Pati
Fampianarana

ISPM Antsobolo Voka-pikarohana 200 aranty eny amin ny Carlton


Voka-pikarohana manodidina ny 200 isa nanomboka omaly no hampirantian’ireo mpianatry ny sekoly ambony « Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar » etsy amin’ny Carlton Anosy.
Voka-pikarohana tsara indrindra tamin’ireo 400 nampahafantarina ny olona nandritra ny varavarana misokatra nokarakarain’izy ireo farany teo teny Antsobolo izy ireo raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, mpiandraikitra ny lafiny ara-bola eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Anisan’ny tena nahavariana ireo mpitsidika nandritra izany ny fisian’ilay karazana borety misy môtera sy kodiarana efatra voka-pikarohana notanterahin’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany ao amin’ny lalam-piofanana Electronique. Vitan’io boreta io ao anatin’ny ora iray mantsy ny asa hataona olona iray ao anatin’ny tapak’andro, raha araka ny fanazavan’i Fafah ao anatin’ny vondron’ny mpianatra nanatanteraka ity voka-pikarohana iray ity. Toraka izany koa ilay « usine simulator » izay manampy amin’ny fibatana entana eny anivon’ny orinasa ihany koa. Marihina moa fa misy ny fandraisan’ireo orinasa maro isa-tsokajiny ny antontan-taratasin’ireo tanora mpianatra mitady asa mandritra izao salon izao izay hifarana anio Alarobia.
Pati

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA