FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in Basy vava on 04/07/2018 by Bakakely

Sekoly ambony tsy miankina eny antsobolo mampiranty ireo voka-pikarohana


Mandritry ny varavarana misokatra izay hampirantiana ireo karazana fikarohana nataon’ny mpianatra eny amin’ny sekoly ambony tsy miankina eny Antsobolo no nahafantarana fa maro ireo vokatra efa novokarin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity.

Ny varavarana misokatra izay hifarana ny sabotsy ho avy izao, hoy Razafindrahety Aimée, tompon’andraikitra avy amin’ny sekoly. Anisany misongadina amin’izany fikarohana izany ny tontolon’ny teknolojia vaovao sy ny famadihana ny vokatra ara-boajanahary. Anisany hitadiavan’ireo mpianatra hevitra amin’izany famadihana ny ara-boajanahary izany ny famadihana ny haninkotrana ho foto-tsakafo. Ny hamahana ny olana ara-bary eto amintsika no tanjona amin’izany. Ny vomanga sy ny katsaka ary ny mangahazo no ezahan’ny mpianatra ahodina ho solon’ny vary amin’izany. Natao izany, hoy ny mpianatra mpikaroka, mba hanovana ny toe-tsaina izay miantehatra amin’ny vary sy mba hialana amin’ny fanafaram-bary sy ny voka-dratsy aterak’izany eo amin’ny toe-karena Malagasy. Ireo vary afarana rahateo izay hosoka ny ankamaroany fa tsy misy intsony ny vary biolojika hahasoa ny fahasalmana. Ny tetikasa fanodinana izay efa natomboka tany amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara fa ezahana hofehezina eto amin’ny tsenan’i Madagasikara.
Bakakely

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA