FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in Jejoo on 04/07/2018 by Patty


Betsaka ireo tanora Malagasy mpianatra eto amintsika no mahavita zavatra tsy ampoizina. Ankoatra ireo tovolahy izay heverina fa tena mahita izany, dia manana ny maha-izy azy ihany koa ny tovovavy, toy ny hita sy nampirantiana teny Antsobolo omaly. Isan’izany ny voka-pikarohana nataon’i Narindra sy Narihasina, samy ao amin’ny taona fahadimy, manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambony ISPM. Fanamboarana “robot” mitendry karazan-java-maneno azo andihizana no nataon’izy ireo tamin’izany, narafitra sy nanaovana fikarohana nandritra ny efa-bolana. Tanjon’izy mirahavavy sy ireo ekipany ny hahafahana mampiaraka ny mozika sy ny teknolojia avo lenta, ka tsy ilana olona intsony ny manao azy rehefa misy vanim-potoana lehibe atrehina, toy ny mariazy, ny famofona…Saika variana avokoa ny rehetra nijery ity voka- pikarohana iray ity. Nampiavaka azy mirahavavy kely ireto ny nitadiavany an’ireo karazana piesy madinika nanamboarana izany, teny ambodin’Isotry, araka ny fanazavan’izy ireo. Tsy vitan’ny olona tsy manam-pikirizana izany. Hitohy hatram’ny sabotsy izao ny fampahafantaran’izy ireo izao voka-pikarohany izao.
Patty

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA