FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in NY VALOSOA VAOVAO on 05/07/2018 by Radafy
ISPM AMBATOMARO ANTSOBOLO


Zava-baovao maro hatrany no mipoitra avy amin’ny voka-pikarohana ataon’ny mpianatra manovo fahaizana amam-pahalalana eny amin’ny ISPM na Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar eny Ambatomaro Antsobolo. Fanaony isan-taona ny manao varavarana misokatra hampahafantarana amin’ny besinimaro, indrindra ny mpianatra afaka bakalorea sy ny ray aman-dreny ary ny mpandraharaha eto amin’ny firenena, izany voka-pikarohana ao aminy izany. Tamin’ity taona ity, dia niompana kokoa any amin’ny vokatra azo ampiasaina sy ahafahana trandrahana eto Madagasikara ny ankamaroan’ireo voka-pikarohana nataon’ny mpianatra araka ny nambaran’ny Tale misahana ny fitantanan-draharaha sy vola ao amin’ny ISPM, Razafindrahety Aimée Noeline. Anisan’izany ny famokarana solon-tsakafo avy amin’ny alalan’ny zava-boahary izay mahasolo ny hena. Hita ao anatin’izany ny tsiron-kena sy ny otrikaina mbamin’ny vitamina hoentin’ny hena. Azo trandrahana tsara izany ary azo omena ny daholobe hahafahana manaraka “régime” ilaina na ihany koa hiadiana amin’ny tsy fahampiana na tsy fanjarian-tsakafo. Singanina ihany koa, ohatra, ny fahavitan’ny mpianatra “serre écologique” izay hampandrosoana ny eny ambanivohitra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra eto Madagasikara izay matetika misedra ny loza voajanahary. Nisy koa mpianatra nahavita fikarohana momba ny fomba vaovao hahafahana manome vahana ny fanjifana ny haninkotrana mba hameno ny filàna araka sokajy rehetra ilaina amin’ny vatan’olombelona. Maro tsy voatanisa ireo voka-pikarohana vaovao vitan’ny mpianatra izay mampiranty izany amina tranoheva miisa 310 avy amin’ny lalam-piofanana : “Informatique, commerce et marketing, finance et comptabilité, droit et technique juridique des affaires, électromécanique et informatique industriel, industrie chimique minière, pétrolière, genie civile et architecture, ary ny tourisme et environnement”. Hestika izay tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny toy izao ahafahana mamporisika ny ankizy manatsara ny kalitaon’ny fahaizany ho entiny hanampy amin’ny fahaizana azony tamin’ireo fampianarana natao tany am-pianarana. Ary mifanandrify indrindra ihany koa amin’ny fanabeazana amin’ny fampianarana manaraka ny rafitra LMD. Marihina fa nanomboka ny talata 03 jolay lasa teo ity varavarana misokatra ity ary amin’ny Sabotsy 07 jolay amin’ny 4 ora hariva no mifarana ary hanasana ny rehetra.
Radafy

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA