FR EN
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).

News

Contact

INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR

Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49

Email : ispm.mada@gmail.com

ISPM in the press & media

Back to the articles list
Article published in MARTURIA VAVOLOMBELONA on 12/07/2018 by Aris
Sehatry ny fambolena


Aman-taonany ela izay ary mbola ambara mandrakariva, fa ny 80%-ny vahoaka Malagasy dia tantsaha avokoa. Hatreto anefa dia tsy mahavelona ny mponina eto Madagasikara ny vokatra novokarin’ireo maro an’isa ireo. Ny any Etazonia anefa, dia tsy misy afa-tsy manodidina ny 3% monja ny tantsaha kanefa dia tena mahavokatra be sy manana ny amby ampy ara-tsakafo hojifain-ny vahoaka amerikanina. Izay indrindra no nahatonga ireo tanora mpianatra telo mianadahy manovo fahaizana amam-pahalalana amin’ny lalam-piofanana “ Informatique de Gestion Génie Logiciel et Intelligence Artificielle ( IGGLIA)” taona faharoa eny amin’ny ivon-toeram-pampianarana ambony Intsitut Supérieur Polytechnique de Madagascar (ISPM) eny Ambatomaro- Antsobolo nanompana ny fikarohana nataony ho amin’ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena. “Gestion de serre” no nanaovan’izy ireo fikarohana. Ny mitandrina ny fiovan’ny tontolo iainana ao anatiny, izany hoe ny hamandoana, ny habetsahan’ny dioxide de carbone ao anatin’ny rivotra ary ny hafanana. Raha toa ka avo loatra ireo na mifanohitra amin’izay dia mety hiteraka fahasimbana eo amin’ny zavamaniry. Misy fitaovana ampiasaina hanaraha-maso azy ireo noho izany, ka ny fahafantarana ny zava-misy no hahafahana mandray fepetra mifanaraka amin’izany. Ohatra : tsy ialina intsony ny olona hanondraka, fa afaka mandeha ho azy izany. Toy izany koa ny fiahiana amin’ny hatsiaka be na hafanambe, fa efa eo ny fitaovana hamaha ny olana amin’izany satria ilay fambolena atao ao anaty efitra. Ny tanjona ho azy telo mianadahy mpikaroka dia ny hampitombo ny vokatry ny voly sy ny fotoana hambolena, ary ny hampihenana ny isan’ny olona hamboly azy.
Santionany amin’ireo voka-pikarohana vitan’ny mpianatra, tanora Malagasy, io manoloana ny toe-javamisy eto Madagasikara. Ny ankamaroan’izy ireo dia saika mamaly ny filàn’ny firenena avokoa. Santionany amin’izany ny famahana olana amin’ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo amin’ny fahitana vokatra avy amin’ny zava-boahary izay mahasolo ny hena. Hita ao anatin’izany ny tsiron-kena sy ny otrikaiana mbamin’ny vitamina hoentin’ny hena. Azo trandrahana tsara izany ary azo omena ny daholobe hahafahana manaraka “régime“ ilaina, na ihany koa hiadiana amin’ny tsy fahampiana na tsy fanjarian-tsakafo.
Maro ny voka-pikarohana vitan’ny tanora mpianatra Malagasy eny amin’ny ivon-teoram-pampianarana ambony iray ity ary tena ilaina eto amin’ny firenena. Isan-taona izy no mampahafantatra izany amin’ny besinimaro. Ny andiany voalohany dia notanterahina ny 03 ka hatramin’ny 07 jolay lasa teo. Ny andrasana amin’ny mpitondra fanjakana dia ny fanomezan-danja ambony tanteraka azy ireny ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Aris

FAHAIZANA - FAMPANDROSONA - FIHAVANANA