|
ISPM won the first awards of the Olympiad in Informatics of Madagascar in 2012 for his first participation.
According to the Shanghai ranking of Universities, ISPM is ranked among the top ten universities of Madagascar (among the 140 public and private universities).
Contact
INSTITUT SUPERIEUR POLYTECHNIQUE DE MADAGASCAR
Ambatomaro Antsobolo
Antananarivo MADAGASCAR
Mobile : +261 33 12 171 60
+261 34 36 406 05
+261 32 66 870 49
Email : ispm.mada@gmail.com
|
|
ISPM in the press & media
Back to the articles list |
Article published in MARTURIA VAVOLOMBELONA
on 26/07/2018 by ARIS
|
Fampianarana ambony |
|
Mila manana traikefa mivaingana azo ampiasaina avy hatrany ny mpianatra manovo fahaizana amam-pahalalana sy mivoaka amin’ireny sekoly ambony ireny. Mason-tsivana iray lehibe takin’ny tsenan’asa sy indrindra ireo orinasa maro eto amintsika izany. Paik’ady na lalana iray hahafahan’ny mpianatra ny asa fikarohana sy fampirantiana ho fampahafantarana izany amin’ny besinimaro. Izay indrindra no nahatonga ireo tomponandraikitra eo anivon’ny ivontoeram-mpampianarana Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar (ISPM) eny Ambatomaro Antsobolo – Antananarivo, hikararaka indroa isan-taona velatseho (Salon) ho fampahalalana ny vahoaka ireo voka-pikarohana vitan’ny mpianatra ao aminy. Ny voalohany dia natao ny 03 ka hatramin’ny 07 jolay lasa teo teny an-toerana ihany. Ny faharoa kosa dia hotanterahina ny talata 31 jolay sy alarobia 01 aogositra ho avy izao eny amin’ny Hotel Carlton Anosy. Tranoheva miisa 150 no hampirantian’ireo mpianatra amin’ny lalam-piofanana rehetra ireo voka-pikarohana vitany.Anisan’izany ny fiaramanidina kely azo baikoina, ny “robot” mamaky naoty sy mively batterie, vokatra sakafo maro samihafa, solon-tsakafo mahasolo hena, haitao informatika sy mekanika marobe isan-karazany, simian avy amin’ny tavoahangy pilasitika nahodina ary nahavitana pave, sy ny maro hafa.
Maro ny tombontsoa azo amin’ny hetsika toy izao. Eo aloha ny an’ny mpianatra : mikolo ny sain’ireo mpianatra amin’ny famokaran-javatra, fanatonana vahoaka mivantana ahafahany miserasera amin’ny mpitsika samihafa, hahazoana salan’isa tsara izay miditra ao anaty naotim-panadinana, no sady hisy loka homen’ny sekoly azy. Hipetraka rahateo ao anaty CV hanatsara ny kalitaon’ny fahaizany izany ho antoka amin’ny fisokafan’ny lalana amin’ny tsenan’asa sy hanampy azy koa raha hiditra amin’ny famoronan’asa.
Ho an’ny firenena koa dia tena tombontsoa lehibe izany noho ireo voka-pikarohana izay mifandraika amin’ny zavamisy sy ny filana ilain’ny vahoaka sy indrindra ny mpandraharaha.
Marihina fa andiany faha-15 ity velatseho hotanterahina handritry ny roa andro ity, iantsoana sy anasana ireo mpianatra manana ny diplôman’ny bakalorea, ireo mpandraharaha samihafa, ny ray aman-dreny, ny maintimolalin’ny ISPM, ireo orinasa maniry ny hitady sy hitrandraka fiaha-miasa, ary ny besinimaro tsy an-kanavaka.
ARIS
|
|